Taorian’ny DIREDD Boeny-Betsiboka sy ny DREDD DIANA dia nisitraka fampitaovana avy amin’ny Fandaharanasa PAGE2/GIZ ihany koa ny Fitaleavana eto Antananarivo izay misy fiaraha-miasa mivantana amin’ity Fandaharan’asa ity. Nahitana moto, fitaovana informatika, finday ary fitaovana maro isan-karazany fampiasa anaty birao ireto fitaovana ireto. Manampy amin’ny fanafainganana ny asa sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa sahanin’ireo Fitaleavana ireo izao fampotaovana izao.
Ny Faritra Boeny sy DIANA no iasan’ny Fandaharanasa PAGE2/GIZ. Tetikasa ara-tontolo iainana maro no tanterahin’ity fandaharanasa ity miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ho fanatanterahana ny Velirano faha-10. Misitraka tombony mivantana amin’izany ny Faritra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary ao aminy sy ireo mponina eny ifotony amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny rohim-pihariana maitso manatsara ny velon-tena sy ny fari-piainan’izy ireo.